Ry Renin'Andriamanitra ô

1- Ry Renin'Andriamanitra ô, midera anao 'zahay e
Fa Izy 'lay Mahefa ka nahary ny tontolo e,
Namolavola vatana natokany ho anao e,
Hiteraka ny zanak'Andriamanitra rehetra.

Eny Ry Maria ô, ry Eva vaovao,
Natokan'Andriamanitra ho reninay ianao e
Ny fony be fitiavana nafindrany aminao e
Ka nentiny hanasoavana an'izao tontolo izao.

2- Ry Renin'Andriamanitra ô, midera anao 'zahay e,
Fa Izy 'lay nifantina ny razanao fahiny e;
Nanoro anao mba hino 'zay voalaza taminao e,
Ka hino koa ny zanak'Andriamanitra rehetra !

3- Ry Renin'Andriamanitra ô, midera anao 'zahay e,
Fa Izy 'lay tsy miova raha manao fifanekena e,
Nanampy anao hijoro sy hanantena am-pitokiana e
Ho taratry ny zanak'Andriamanitra rehetra !

4- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay e
Fa Izy 'lay naniraka ny Zanany ho Mpamonjy e
Nanainga anao ho tia izay nataony taminao e
Hitiavanao ny zanak'Andriamanitra rehetra !

5- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay e
Fa Izy 'lay nandefa ny Fanahy Mpandavorary e 
Nambomba anao hatrany mba ho lavorary Ianao e
Ho santatry ny zanak'Andriamanitra rehetra !

Nampiditra Bariry
Sokajy Masina Maria
Ankalazao ny Tompo p. 392
Fihirana Dera p. 211
Fihirana Hasina p. 85
Fihirana Vaovao p. 319
Vavaka sy Hira p. 808
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095