Maria ô, henoy ny feo

1. Maria ô, henoy ny feo
Miantso anao any an-koatra :
Ny havan-tsy foinay mijaly,
Manefa ny sazin'ny ota.

Maria ô, vonjeo re ny fanahy maro,
Ianao re 'lay Reny izay hany itokiana :
Ny fanantenanay ankinina aminao
Tsy misy izay tsy diso, ka matoky anao.

2. Maria ô, ny fonao be antra
Mamonjy izay matoky anao,
Ka raiso ny fanahy miandry
Hifaly eo anilanao.

3. Maria ô, 'zahay koa jereo,
F'ianao mpanala alahelo,
Herezo ny fonay, ry Reny,
Hatoky anao lalandava.

Nampiditra tywa68
Fihirana Dera p. 162
Fihirana Hasina p. 138
Fihirana Vaovao p. 430
Vavaka sy Hira p. 594
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253