Jesoa mikaroka mpiasa vaovao

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Vavaka sy Hira p. "523
  • Fihirana Dera p. "99
  • Fihirana Vaovao p. "373

1 - Jesoa mikaroka mpiasa vaovao
    Hanitatra ny fanjakany eto an-tany ;
    Zovy no mendrika izany lazao
    Ho mpiasa malaza no sady mahay.
 
Fiv : Avia re ho mpiasan'ny Tompo ianao ;
          Avia re fa Izy hanambina ny asanao.
 
2 - Miandry dia miandry antsika Izy izao
    Hamonjy ny asa tsy misy mpanao ;
    Anisan'ny vonona ve ianao
    Hamadika bainga, hanamboatra ny ao ?
 
3 - Andeha hirotsaka izao isika izao
    Hamaly ny antson'ny Tompo nekena :
    'Reo vato misakana esory tsy ho eo,
    Ny ratsy mitarika, tohero, reseo.
 
4 - Raha tojo ny sarotra ao ianao,
    Ka mila hitsoaka sy ho kivy ianao,
    Herezo ny vavaka, io no fanao :
    Ny herin'ny Avo hamonjy Anao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0823 s.] - Hanohana anay