Nahoana re manjelatra ny tany

1 - Nahoana re 
Manjelatra ny tany 
Nefa alina aok'izany ? 
Hazavana be !  
Mba matokia 
Aingao ny dia 
Fotoam-pandresena 
Indro ny Mesia. 
Koa miravoa 
Fa hanovo soa : 
Hanovo famonjena 
Sambatra tokoa.


2 – ‘Ty Zaza ity
Dia toa tsizarizary
Nefa Izy Zanahary :
Tompo sy Kristy.
Koa miravoa
Fa hanovo soa :
Hanovo famonjena
Sambatra tokoa.
Mba matokia
Aingao ny dia
Fotoam-pandresena
Indro ny Mesia
.

3 - Henoy izao
Mireondreona kanto
Feon'Anjely milanto
Ao an-danitra ao.
Mba matokia 
Aingao ny dia 
Fotoam-pandresena 
Indro ny Mesia. 
Koa miravoa 
Fa hanovo soa : 
Hanovo famonjena 
Sambatra tokoa.


4 – Ny hira re
Dia hobim-piderana
Fa resy re Satana
Sy ny afobe.
Koa miravoa
Fa hanovo soa :
Hanovo famonjena
Sambatra tokoa.
Mba matokia
Aingao ny dia
Fotoam-pandresena
Indro ny Mesia
.
 
5 - Endre tokoa,
Mihoby mankalaza
Ny hasin'ity zaza
Hira tena soa.
Mba matokia 
Aingao ny dia 
Fotoam-pandresena 
Indro ny Mesia. 
Koa miravoa 
Fa hanovo soa : 
Hanovo famonjena 
Sambatra tokoa.

 
6 - Miadam-po
'Zay mino ny Mesia
Matoky sady tia
Ilay Teny to.
Koa miravoa
Fa hanovo soa :
Hanovo famonjena
Sambatra tokoa.
Mba matokia
Aingao ny dia
Fotoam-pandresena
Indro ny Mesia
.

Nampiditra pissoa
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Dera p. 107
Fihirana Hasina p. 623
Fihirana Vaovao p. 385
Vavaka sy Hira p. 672
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148