Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo

Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo
Ka ho vavolombeloko hatrany am-para-vazan-tany
Ho vavolombeloko. 
(Asa. 1, 8)

(Sal. 97)

1.- Ihirao antsa vao ny Tompo
     Fa mahagaga ny zava-bitany !
     Fa ny tànany no namonjy
     Nanampy Azy ny herin-tsandriny.
               Ka dia hitan’ny firenena
               Ny famonjena amam-pahamarinany,
               Mba tsarovy, ry Israely,
               Ilay fitiavany tsy mivadika.

2.- He zahao ê, ry vazan-tany,
     Izato vonjin’Andriamanitra.
     Ô ry tany, derao ny Tompo
     Ka mientàna amin-karavoana.
               ‘Ndao antsao am-baliha ny Tompo,
               Anaovy antsa sy fihobiana
               Feon’antsiva sy anjomara
               Enti-midera ny fiandrianany.

3.- Aok’hidoboka anie ny rano,
     Ny ranomasina sy ny mponiny ;
     Ka hitehaka anie ny ony,
     Hitotorebika koa ny vohitra !
               Mba hitsena ny Tompo tamy
               Hitsara ny olona tsy an-kanavaka ;
               Ary hitsara ny firenena
               Am-pahamarinana sy ara-drariny. 

4.- Andredony antsa vao ny Ray.
     Fa mahagaga ny zava-bitany !
     He ny Zanany no maneho
     ‘Lay famonjena efa nosoritany.
               Ny Fanahiny manan-kery
               Afa-manentana antsika zanany
               Hanambara amin-kasahiana
               Ilay fitiavany tapitr’ohatra !

Nampiditra tywa68
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 212
Fihirana Dera p. 246
Fihirana Hasina p. 237
Fihirana Vaovao p. 128
Vavaka sy Hira p. 330
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097