Nirahina hitory vaovao mahafaly i Kristy

Sas : Nirahina hitory vaovao mahafaly i Kristy,
Hitory vaovao mahafaly amin'ny malahelo.
(Mt. 11, 5)

(Sal. 70)
 
1 - Andriamanitry ny fahamarinana ô,
Mba tolory ny andriana mpanapaka
Sy ny zanak'andriana ho dimbiny
Ny fahaiza-mitsara ara-drariny !
 
2 - Ka ny vohitra hitrotro fiadanana
Ny havoana hivimbina ny hitsiny
Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy
Ny mpamoritra kosa hofongorana.
 
3 - Aoka haharitra ny fanapahany
Ka ho toy ny masoandro amam-bolana ;
Dia hanahaka ny ando amy vilona,
Sy ny orana an-tany efa lonaka.
 
4 - Amin'ny androny hamony ny rariny,
Ary mandra-pahafatin'ny volana,
Dia hisy fandriampahalemana
Lavorary sy feno tanteraka.
 
5 - Ranomasina n'ho sisin-taniny,
Ary ny ony n'ho valam-parihiny;
Ka ny rafiny ombam-pahavalony
Handohalika sy hilavo lefona.
 
6 - 'Reo mpanjaka rehetra any andrefana
Dia hanoa ka hanefa ny hetrany;
Toy izany ny avy any atsinanana
Dia hanatona hanolotra hasina.
 
7 - Ary hiankohoka eo anatrehany
Ny mpanjaka tsy misy avakavaka;
Ho avy avy ireo firenena isan-tokony
Mba hiaiky fa tena mpanompony.
 
8 - Eny isaorana ianao Andriamanitra,
Zanakao no nitondra fiadanana,
Fa manjaka aminay am-pitiavana,
Manamarina anay ny Fanahiny.
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 141
Fihirana Dera p. 183
Fihirana Hasina p. 218
Fihirana Vaovao p. 259
Vavaka sy Hira p. 300
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092