Izao no ahafantarantsika ny tena fitiavana

Sas :
Izao no ahafantarantsika e ny tena fitiavana : (2)
I Jesoa Tompo nahafoy ny Ainy hanavotra antsika,
I Jesoa Tompo.
(1Jn. 3, 16)

(Sal. 84)
 
1 - Tsimbino, ry Tompo, ity taninao,
Ny babon'i Jakôba re ampodio ;
Esory ny helok'ireo olonao dia sarony ny otany.
 
2 - Ianao aza tezitra intsony aminay,
Ny fonao vinitra re aoka izay !
Ianao no Mpamonjy ka ento mba hody 'zahay, Andriamanitra.
 
3 - Toneo ny hatezerana raha sitrakao,
Ho tezitra mandrakizay ve Ianao ?
Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka ?
 
4 - Tsy hamelombelona anay va Ianao ?
Mba satry tokoa hiravo Aminao :
Ianao tsara fo misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra.
 
5 - Mba tiako tokoa ny handre azy Tompo,
Mirary fiadanana ho an'ireo tiany,
Mirary fiadanana ho an'ireo olo-miandrandra ny marina.

6 - Akaiky 'zay mino azy Tompo ny vonjy,
Honenan'ny lazany etý amintsika,
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.

7 - Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
Ny hitsiny hita mitsiry amy tany,
Mitsinjo avy eny amy rahon'ny lanitra koa ny rariny.

8 - Handrotsaka orana anie izy Tompo,
Izay hampamokatra tsara ny tany,
Fa lalan-kizoran'ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

9 - Endrey ny indrafon'izy Ray amintsika:
Naelany ota, nantsoiny ho mpandova,
Hiadam-pinaritra tahaka ny Zanany hahita ny tavany.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 198
Fihirana Dera p. 237
Fihirana Hasina p. 225
Fihirana Vaovao p. 511
Vavaka sy Hira p. 312
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788