Ny vato natsipin'ny mpanorin-trano

Ny vato natsipin'ny mpanorin-trano e,
No indro nalaina natao fehizoro ;
Ny vato natsipin'ny mpanorin-trano e,
Dia i Kristy Tompo Andriamanitra.
(Asa 4, 11)

(Sal. 117)

1. Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo
Fa mandrakizay ny fitiavany !
Lazao, ry Israely, ry fianakaviany,
Fa mandrakizay ny fitiavany !
 
2. Lazao, ry Aarôna, ry fianakaviany,
fa mandrakizay ny fitiavany !
Lazao, ry matahotra am-po azy Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany !
 
3. Terem-pahoriana aho no niantso ny Tompo,
Ka henony dia nohalalahiny ;
Momba ahy izy Tompo, ka tsisy ahiko,
Tsy misy afa-manohitra ahy.
 
4. Fa momba ahy ny Tompo sy manampy ahy,
Bandriniko ny fahavaloko ;
Aleo dia aleo re mifefy amy Tompo,
Toy izay re mifefy aman'olona.
 
5. Aleoko tokoa re mifefy amy Tompo,
Toy izay amin'olon-mahery ;
Naronjina mafy aho fa tiana ho lavo,
fa tonga namonjy ahy ny Tompo
 
6. Deraiko fa heriko mantsy izy Tompo,
Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko,
Mihoby sy faly aho fa tra-pamonjena,
Miantsa ao an-tranon'ny Marina.
 
7. Natsotran'ny Tompo ny tanan-kavanany,
Natsotrany hanampatra ny heriny ;
Ka indro aho ho velona tsy mba ho faty,
Hiantsa ny ataon'Andriamanitra.
 
8. Nitsapa ahy mafy tokoa izy Tompo
Kinanjo aho tsy foiny ho faty,
Vohay ny varavaran'ny fahamarinana,
Hidirako hisaotra ny Tompo.
 
9. Fa eto tokoa n'varavaran'ny Tompo :
Ny marina no miditra aminy,
Isaorako ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo
Nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
 
10. Ny vato natsipin'ny mpanorin-trano
No indro natao fehizoro ;
Izany no asa nataon'izy Tompo,
Ka gaga ny maso mijery.
 
11. Izao re no andro nataon'izy Tompo,
Hiravoravoana, hifaliana.
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy,
Tongava hanome fandresena.
 
12. Ny anaran'ny Tompo no hitsofana rano
'Zay tonga miseho anatrehany,
He ! Tsofinay rano tokoa ianareo
Mivory ao an-tranon'ny Tompo.
 
13. Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika,
Manilo ary koa manazava;
Avia milahara mitan-tsampankazo,
Avia manatòna ny ôtely
 
14. Ry Tompo Andriamanitra, isaorako ianao,
Isaorako ny anaranao :
Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo,
Fa mandrakizay ny fitiavany !
 
15. Ataovy antso avo ny Ray izay namonjy,
Fa mandrakizay ny fitiavany !
Ny Zanaka sy ny Fanahy Mpankahery,
Fa mandrakizay ny fitiavany !

Nampiditra tywa68
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 85
Fihirana Dera p. 198
Fihirana Hasina p. 251
Fihirana Vaovao p. 328
Vavaka sy Hira p. 350
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091