Mitoera eto amiko, ry Jesoa be fitiavana

Mitoera eto amiko, ô ry Jesoa be fitiavana
Saro-tahotra ny foko sady mora mianjera
Ny sakaiza mora miala toy izany koa ny havana
Iza no hiaraka amiko, ô ry Jesoa mitoera
Iza no hiaraka amiko, ô ry Jesoa mitoera


1. Fantatrao fa tia Anao, ‘zany foko sy ny heriny
    Isan'andro vao mifoha, lasanao ny eritreriny
    Raha tezitra ny onja tamin’ny sambon’ny fiainako
    Fantatrao fa taminao no hany nitarainako

2. Fantatrao fa osa loatra 'ty fanahy fadiranovana
    Zay miantso Anao tsy tapaka eto an-tany fandalovana
    Raha noana indray ny foko fa nidaboka sy lanaka
    Fantatrao fa nifanojo ny fijerintsika mianaka

3. Fantatrao fa nanantena lalandava ny fanahiko
    'Reny bitsika mangina ao anaty ny angatahiko
    Raha torovana ny foko tena kivy sady reraka
    'Zany foko kivy izany hanantena anao tanteraka

Nampiditra ari.malala
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 609
Vavaka sy Hira p. 755
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244