Atolotro ho Anao, ry Tompo ao ambony

Nampiditra: ari.malala
Sokajy: Fanolorana, Antson'Andriamanitra,


  • Fihirana Hasina p. "111
  • Vavaka sy Hira p. "780
  • Fihirana Vaovao p. "535

Atolotro Anao, ry Tompo ao ambony
Ny tenanay manontolo
Atolotro Anao ho varo-tsy mifody
Ho Anao mandrakizay

Izao no fikasako, ry Tompo be fitia
Tsinjovy sy iantrao ’ty mahantra mitalaho
Afoiko hatramin’izao ka raiso anjakao
Ny foko te ho tia: ho Anao doria doria e e

Ny tenako sy ny aiko no atolotro ho porofo
Fa tsy hivadika Aminao;
Na inona hihatra, na inona hidona
Ho Anao mandrakizay


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0909 s.] - Hanohana anay