Tompo ô mitalaho

1-Eh ty zaho izay latsaka anatin’ny fahaverezana

Milentiky ao anaty vovo-pahotana ny fanahiko tompo ô

Ka dia safotra ny onja, ny fiainana feno fahakiviana

 

Tompo ô mitalaho ka mba valio

Tompo ô sasao aho mba hadio

Tompo ô henoy ny vavakay

Tompo ô mamindrafo aminay

 

2-Isan’andro isan’ora ianao mandondona ao amponay

Miangavy mitalaho mba anolotra ny aina ho anay

Ts’izy ireny ry Tompo

fa vaomaika izahay manamafy ny fonay

 

Kristy ô mitalaho ka mba valio

Kristy ô sasao aho mba hadio

Kristy ô henoy ny vavakay

Kristy  ô mamindrafo aminay

 

3-Androany aho mahatsapa fa tsara tokoa ianao

Hitako  ny lalana mazava izay tokony halehako

Ka mifona mivalo aho re koa avia

mitoera ato ampoko fa tiako ianao

 

Tompo ô mitalaho ka mba valio

Tompo ô sasao aho mba hadio

Tompo ô henoy ny vavakay

Tompo ô mamindrafo aminay

 

Nampiditra zamamiko
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0851