Ianao no aronay, ry Tompo, ampinganay ianao

Ianao no aronay, ry Tompo, ampinganay ianao,
Mandrakizay, mandrakizay.

1. Mifefy aminao aho, ry tompo,
tsy ho azon-kenatra aho, ry ilay mandrakizay,
avoty noho ny fahamarinanao,
henoy, afaho haingana.

2. Mijoroa ho vatolampy fierena,
vonjeo aho, ry trano fiarovana:
ianao no harambato sy toera-mafy ho ahy,
ny anaranao itarihana sy itantanana ahy.

3 Asehoy ny mpanomponao ny tavanao,
vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao.
Ary ianareo rehetra miantehitra amin'ny Tompo,
mahereza fo, matokia.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 170
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034