Tompo ô, ny endrikao manilo ahy

Tompo ô, ny endrikao manilo ahy;
Tompo ô, ny tananao mamonjy ahy.

1. Ka ny olombelona e tsy hatahorako,
'Zay fahavalo tsy hampangovitra:
Fa arovanao anie ny aiko, 
Fa arovanao anie ny aiko.

2. Raha miantso aho ô, henoinao,
raha mitady anao, hatoninao:
Ianao Raiko, ry Andriamanitro ô,
Ianao Raiko, ry Andriamanitro ô,

3. 'Lay tavanao e aza afenina ahy,
Ka na diso aho, aza roahinao:
Te-ho tian anao fa zanakao.
Te-ho tian anao fa zanakao.

4. 'Ty zanakao hangorahanao,
Ka dia manantena e fa ho any an-danitra:
Ny fitiavanao no andrandraiko
Ny fitiavanao no andrandraiko

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 173
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086