Jesoa Tompo izay nifidy anay ho apôstôly kelin'ny fonao

1. Jesoa Tompo izay nifidy anay
ho apôstôly kelin'ny fonao,
indro ilaozanay izao ny tany,
mba hanara-dia anao irery.

'Zay mandao ireny rehetra ireny,
tadidio tsara re, rankizy,
Mbola handray anie ny zato heny,
eto an-tany sy am-paradizy.

2. 'Lay tanàna soa nidolàna,
'rony saha maro holovàna,
Dia nafoinay mantsy ireny,
mba hanara-dia anao, ry Jesoa.

3. Beby zandry kely any izany,
Mitomany fa tsy mahafoy:
Nefa ilaozanay anie, rey olona e,
mba hamonjy anareo ihany.

4. Dada tiana an-trano any, 
Neny koa fitositosiana,
Dia nafoy mantsy ianareo,
noho i Jesoa Tomponay ihany.

5. 'Ndray hariva any lavitra any,
nony efa ho faty izahay,
Tsy mba manana olona hanotrona, 
Fa irery noho i Jesoa ihany.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 465
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174