Eny e, izaho no Kristy Zanak'Andriamanitra

Eny e, eny e, e
Eny e, eny e, e
Izaho no Kristy Zanak'Andriamanitra
ary lazaiko marina
fa ho hitanareo 
mipetraka eo an-kavanan'Ilay be fahefana Aho
sy avy eny amin'ny rahon'ny lanitra.

(Mk. 14, 62)

Sal. 109

1. Izao no tenin'ny Tompo tamin'ny Tompoko:
"Ianao mipetraka avy eto an-kavanako,
ny fahavalonao dia indro hataoko
hanjary fitoeran'ireo tongotrao".

2. Atsotran'ny Tompo avy ao Siôna
ny tehina maherin'ny fiandriananao:
"koa dia manjakà ary koa manampàra
hatrany am-povoan'ny fahavalonao".

3. Ny andro hisehoan'ny fahefanao,
Indro dia mpanjaka, mamira-pahamasinana:
"fa tahaka ny andro mazava atsinanana
niteraka ny andro, Izaho niteraka Anao".

4. Fa izao no velirano nianianan'ny Tompo,
tamin'ny toky tsy miova, tsy misy anenenany:
"Ianao dia mpisorona mandrakizay,
araka ny satan'i Melkisedeka".

5. Hijoro ny Tompo eo an-kavananao
hamotika mpanjaka amin'ny andron-katezerany
amin'ny riaka, hisotro eny an-dalana Izy,
noho izany dia hatrakany hatrany ny lohany.

6. Derao ny Ray be fitiavana antsika!
ny Tompo nandresy ny fahafatesana;
derao ny Fanahy nananganana antsika,
ho mandrakizay ka ho mandrakizay.

 

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091