Miaiky aho Tompo
(Jean Louis Tombolaza)
Miaiky aho Tompo ô fa be ny trosako,
Ary maro amin'izy ireo no efa navelanao,
Ary izaho izay nendahinao tamy asako teo aloha,
Tamin'ny fiainan'izao tontolo izao.
Tompo ô ! (in-2) mamindra fo aminay (in-2).
Tondroin'olo molotra aho fa tsy manam-pinoana
Ary tsy nobeazina tamin'ny Fiangonanao ;
Notebatebahin'olona aho "efa leon'ny fiainana hono".
Koa inty aho Tompo ô, fa mangataka famelàna
Kristy ô ! (in-2) mamindra fo aminay e (in-2).
Tsimbino ry Tompo ô, 'reo fanomezana nomenao,
Na dia tsy mendrika aza noho ny 'zao tontolo 'zao-ko.
Fa ny asa izay nataoko tamin'ny Fiangonanao
Dia kolokoloy ny vokatra izany asa izany.
Tompo ô ! (in-2) mamindra fo aminay (in-2) .
(Md Ambroise, Fibebahana 2, 8).