Fo madion’i Maria Mpiaro anay

(Soeurs C.I.M.)

Fo madion’i Maria Mpiaro anay,
Ianao no reharehanay sy tokinay,
Ny hatsaram-ponao no derainay,
Aleloia ! Aleloia !
Aleloia ! Arahaba ry Virjiny Madio.
Aleloia ! Aleloia !
Aleloia ! Ankalazainay ny fiandriananao.
Aleloia !

Masina Maria, Reny tianay,
Ny anaranao no hafalian’ny fonay,
Vetsoventsoinay lalandava,
Toky sady hery ho anay.

Reny Virjiny, mpanelanelana,
Lakandranom-pahasoavana Ianao,
Mpihaino vavaka sy mpitalaho anay.
Faly izahay misaotra Anao.

Fisaoran-dehibe no atolotray,
Fankasitrahana avy amin’ny fonay,
Fa notantananao ny fikambananay,
Feno 25 Taona izao.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 175
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0641