Rehefa tonga ny andro

(Lili)

Rehefa tonga ny andro; dia ilay ora sy fotoana
Izay handaozako ny tany, hankanesako any an-danitra,
Ireo zavatra rehetra, izay niainako tety :
Tsy nataoko, na nataoko ho an’Andriamanitra,
Ho takiana amiko, na ho azoko,
Na tsy ho azoko ilay Paradisa soa.

O ry olom-pivahiny, tsy mitoetra fa mandalo,
Ianao izay mahalala fa Andriamanitra
No mandahatra izao rehetra izao,
Moa mahavokatra ianao ?
Sa nataonao kilalao ireo asa nanirahana anao ?
Aoka ho fantatrao, ireo no ho vatsinao.

Ianao ry Maria ô ! ‘lay Reny mamiko,
No antenaiko hitrotro ahy,
Ho eo anoloan’i Jesoa.
Dia Ianao ilay Jesoa, nimatimatesako,
Manam-pahefana feno, ao an-tranon-dRay,
Eny hivavaka, hivavaka aho Andriamanitra ô !
Mba tsy hisy (ho) hadinoko,
Na dia kely aza ny hafatrao,
Enga anie Andriamanitra ô !
Enga anie tsy ny otako
No hijerenao ny vitako fa tena very aho.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 165
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092