Maria Mpanjakavavinay

(Laurence)

Maria no Reniko, Maria no tokiko,
Misaotra anao izahay,
Ô ry Reny Mpanjakavavinay,
Fa lehibe tokoa anie,
Ny fitiavanao anay.

Jesoa Kristy ô !
Henoy ny feoko mitaraina,
Difotra ny ota izahay,
Torovana ny saina, fò, fanahy
Faingàna re, vonjeo ny Malagasy,
Tompo ô, miandry Anao ‘zahay.

Jesoa Kristy ô !
Ianao ilay zoky be fitia,
Tevam-be tokoa ny lalanay,
Voafingàna ka lavo izahay,
Avia re, tantano izahay Jesoa,
Tompo ô, herezo izahay.

Jesoa Kristy ô !
Miandrandra Anao ‘zahay,
Vahoaka marobe no miandry Anao,
Hanova sy hanadio ny fiainanay,
Ho sambatra mitoetra anilanao,
Tompo ô, vatolampiko ianao.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 162
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087