Kintana añabon’ny rondro

(Edouard Tongavelo)

Oia e, kintana añabon’ny rôndro :
Masina Maria Renin’Andriamanitra,
Masina Maria Renin’ny Jesoa Kristy Tompo,
Masina Maria Reny sariaka, tia zanaka.
Oia e, kintana añabon’ny rôndro :
Masina Maria Reny mpitari-dalana,
Masina Maria Renin’olombelono jiaby,
Masina Maria Reny mazava trôko,
Mankasitraka ny fihavanana,
Mpanjakavavin’ny fiantsoan’Andriamanitra.
Manatona Anao izahy Zanakao :
Masina Maria Reninay e e eia !
Mivavaha ninay, matoky Anao izahay,
Mangataha ninay, mangataha ny tsara.
Ave, ave, ave Maria; salve, salve, salve Regina.

Oia e, kintana añabon’ny rôndro :
Masina Maria Reny niteraka Zanaka Zañahary,
Masina Maria Reny Virjiny madio ankitiny,
Masina Maria Reny mitarimy soa ny tsaiky.
Oia e, kintana añabon’ny rôndro :
Masina Maria Reny manamia ny jery tsara,
Masina Maria Reny mitantana ny tanora,
Masina Maria Reny mazava trôko.
Mankasitraka ny fihavanana,
Mpanjakavavin’ny fiantsoan’Andriamanitra,
Masina Maria Reninay e e eia !
Mivavaha ninay, matoky anao izahay,
Mangataha ninay e, mangataha ny tsara.
Ave, ave, ave Maria; salve salve, salve Regina.

Oia e, kintana añabon’ny rôndro :
Masina Maria Reny mampivondrono atsika jiaby,
Masina Maria Reny tsy manavakavaka soron’ôlo,
Masina Maria Reny mahy manambitamby zanaka.
Oia e, kintana añabon’ny rondro ô :
Masina Maria Reny manavotra ny sahirana,
Masina Maria Reny tsy manary ny zanaka,
Masina Maria Reny mazava trôko.
Mankasitraka ny fihavanana,
Mpanjakavavin’ny fiantsoan’Andriamanitra,
Tandrinesa vavaka izahay zanakao.
Masina Maria Reninay e e eia !
Mivavaha ninay, matoky anao izahay
Mangataha ninay e, mangataha ny tsara
Ave, ave, ave Maria; salve salve, salve Regina.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 158
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085