Ô, Masina Maria: reninay ianao

Ô, Masina Maria: reninay ianao
Reninay madio indrindra
Mivavaha ho anay (in-2)

1. Indreto re 'zahay zanakao
Mamakivaky onjam-piainana
Sarotra ny atrehinay re
Arovinao izahay

2. Indreto re 'zahay tanora
Te-hanara-dia an-janakao
Maro anefa ireo fakam-panahy
Tantanonao izahay

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442