Ireo asam-pitoriana

(Omer)

Indreto izahay tanora,
Sahy hijoro ho mpianatrao,
Vonona izahay,
Hanambara ny hafatrao !
Haelinay hatrany Jesoa,
Ny herin'ny fitiavanao,
Fa miantso anay ny Fiangonanao.

Ireo asam-pitoriana izay efa natomboka,
Natombok'ireo mino Anao avy any lavitra,
Dia toa voa nafafy ka mila hitsimoka.
Tadiavanao mpiasa ireny mba hanondraka.

Nirahinao ireo zokinay hampiredareda
‘Lay afom-pitiavana namoizany aina.
‘Zahay koa ankehitriny no solofo,
Solofo hampiaina indray ny rà nalatsany.

Fa maro be tokoa ny vokatra eto aminay,
Ny mpijinja anefa vitsy ka tsy maharaka.
Manandra-peo isan'andro ny Fiangonana,
Miantso ireo tanora maro hanolo-tena.

Tsy maintsy hiainanay ireo teny soa nomena anay,
Ka atolotra ny tenanay sy ny fiainanay.
Mba raiso re ‘zahay ry Jesoa hiaraka aminao,
Hanambara Anao na ho mora na ho sarotra.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 131
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735