Endrey ny fitiavako

(RANDRIA Jerôme)

Tompo ô ! ô ! herezo aho, hanao izay sitrakao
Tantano hatrany, fa tsy handao Anao (in-2).
Hatramin'ny farany.

Endrey ny fitiavako ny lalanao Tompo ô !
Inty aho, hanompo Anao, hanolo-tena ho Anao.
Ka tsy hisaraka Aminao.

Ianao no jiroko, manazava ny diako,
Satria Ianao, mitantana aho, mandritra ny fiainako.
Ka tanteraka ny faniriako.

Ianao vatolampiko, sy mandako Tompo ô !
Fialofako Ianao, mpiaro ahy, manoro ny tsara maro
Ka mendri-piderana.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 121
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092