Natraotron’i Jesoa

Nampiditra: admin
Sokajy: Masina Maria, Tononkira,


  • Antsao ny Tompo p. "44

Natraotron’i Jesoa iray trano isika,
Andriamanitra Ray no Ray iombonantsika,
I Jesoa sy ny Fanahy Masina
No mitantana sy mitari-dalana antsika.

  1. Ny foko midera ny Tompontsika
    Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
    Noho Izy mpamonjy nitsinjo ahy
    ‘Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
     
  2. Fa indro manomboka ankehitriny
    Antsoin'ny taranaka sambatra aho
    Nahavita be tamiko ilay Mahefa
    Ilay hoe ny Masina no anarany.
     
  3. ‘Lay mandrakizay ny indrafony,
    Amin'ny olon-drehetra matahotra azy;
    ‘Lay Tompo mpandresy mahery sandry
    Mampihahaka ireo ‘zay mpiavonavona.
     
  4. Manongana ireo ‘zay mpanjakazaka,
    Kanefa manandratra ireo ambany;
    Manototra soa ho an'ireo noana,
    Fa mampody maina an'ireo mpanana.
     
  5. Mpanarina an'Israely olony,
    Satria mahatsiaro ny indrafony,
    Nampanantenainy ny Razantsika,
    Ho an'i Abrahama sy ‘zay taranany.
     
  6. 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
    Hobio 'lay Zanany tonga Nofo,
    Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
    Ho mandrakizay alaovalo.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0229 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org