Ny hatsarana sy fahamarinana

Ny hatsarana sy fahamarinana no tiako hoderaina,
Ny Tompo Andriamanitra no tiako hankalazaina.

  1. Ô ry Tompo Andriamanitra
    - No tiako hankalazaina- (Vahoaka)
    Ho tandremako ny lalanao, ry Tompoko,
    Fo mahitsy no entiko hanara-dia,
    Tsy hanao izay ratsy imasonao aho.
    Tsy hivaona ny foko na hiova,
    Fa Ianao ry Tompo Andriamanitra.
     
  2. Ô ry Tompo Andriamanitra
    Hojerenao ny olo-mahatoky,
    Ny olo-marina no ho mpanomponao,
    Hiara-monina eo anilanao,
    Mihirà mba hihoby an-kafaliana,
    Ianareo ô ry mponina eran-tany,
    Manompoa azy Tompo, an-karavoana.
     
  3. Ô ry Tompo Andriamanitra
    Maneke Azy Tompo Andriamanitra,
    Asan-tanany isika, ka fahanany,
    Fiangonany isika, ondry andrasany,
    Avia eo am-bavahadiny, midera ;
    Isaorantsika ny Anarany, hankalazaina,
    Maharitra ny hatsarany sy ny indrafony,
    Ny fahamarinany manerana ny tany.
Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Antsao ny Tompo p. 30
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1023