Raha izay mba heverinay

1- Na dia nahavita izao fahotana rehetra izao aza aho,
Dia hotanako mandrakariva ny fahatokisako Anao,
Satria fantatro f’ireo heloka mihavosa ireo
Toy ny piti-drano eo amin’ny afo mirehidrehitra

RAHA IZAY MBA HEVERINAY
Ho zava-tsara rehetra
No atao ambanin’ny masonao
Tsisy dikany akory
Koa mba hanomezako hasiny ireo fijaliako isan’andro
Atobako aminao, Andriamanitro malala ô!

2- Mila fo mirehi-pitiavana, feno halemem-panahy aho
Izay mijanona mandrakariva ho ampingako izany
Tia ny amiko manontolo hatramin’ny fahalemeko
Ary tsy mandao na mazava na maizina ny lalako.

3- Eny, tsy hahita olona tsy misy tsiny ianao ry Tompo,
Ato anaty adim-piainana misafotofoto
Ao am-ponao aho ry Tompo no hihafina tsy ho hita,
Tsy hangovitra aho satria Ianao no tena heriko

 

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091