Ianao Maria renin'i Jesoa ô,

Fiv. Ianao Maria renin'i Jesoa ô,
Reniko ihany koa lanao f'efa natolony ahy;
Matoky fa tsy irery aho mizotra eny an-dalana 
Tsy ho lany na oviana izany hafaliako.

1. Ravehivavy ô, indro ny zanakao (hoy Ianao, ry Jesoa), 
Ô ry Joany : "indro ny reninao" (hoy Ianao, ry Jesoa), 
Dia natobakao ho feno tao am-ponay ny Fanahy nomenao 
Hahafahanay miantso an'Andriamanitra hoe: "Rainay".

2. Tantano re 'ty 'zaho hanao ho fiainako ( Maria ô!)
 Handraisako ny tenin'llay Zanakao (Maria ô!) 
Toa ny nitandremanao izany tamin'ny fiainanao 
Tsy hahalany na oviana izany hafaliako.

3. Ombao fitahiana, ô ry Renin'ny Mpanavotra, 
'Ty zanakao 'zay nanolo-tena, 
Marefo sy osa kanefa antsoinao
 Hanaraka akaiky ilay notiavinao.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 140
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009