'Reo fanahy voatana any ho any

1. 'Reo fanahy voatana any ho any
O ry Reny o iantrao fa mijaly
Ampangino fa rera-tomany
Sy maniry ny mba te-ho faly.
'Reo sazin'ny ota fahiny
Itoerany lavitra anao
Reny mamy sy tsy manan-tsiny
Asehoy azy ireo ny endrikao

2. Ô ry Reny, manembona anao
'Reo fanahy mijaly sy ory
Te hahita ilay endrikao
'Zay mampiely an'ireo sorisory.
'Lay fonenana an-danitra ambony
Valisoa ho an'ireo olonao
No edena natao hampitony
Ny alahelon'ireo zanakao.

Nampiditra admin
Fihirana Dera p. 161
Vavaka sy Hira p. 807
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1493