Ny Anjelin'Andriamanitra

1. Ny Anjelin'Andriamanitra 
Nilaza tamin'i Maria,
Ary Maria nanan-janaka
Tamin'ny Fanahy masina

(Arahaba) Arahaba ry feno hasoavana o
(Ny Tompo) Ny Tompo ao aminao

2. Inty aho
Ankizivavin'ny Tompo
Aoka ho tanteraka amiko
Araka ny teninao.

3. Ary ny Teny
Tonga nofo;
Ary Izy
Niara-nonina tamintsika e.

4. Mivavaha ho anay e
Reny Masin'Andriamanitra
Hahazoanay ny Soa
Nampanantenain'ny zanakao e

Aoka isika hivavaka


 

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria - Noely
Fihirana Vaovao p. 445
Vavaka sy Hira p. 611
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202