Tsarovinao, ry Reny tsara

Fiv
Tsarovinao ry Reny tsara
Fa tsy mbola nisy foinao
Tsy nomenao ny nangatahiny
Koa raiso ny fifonanay (2)


1. Zaho diso tokoa tamin'Andriamanitra

Mitaraina aminao sy mifona aminao

Fa izao ny foko te-handao ny fahotana

Mamindrà fo, Maria, amiko zanakao

 

2. Ny angatahiko aminao, Reny mamy

Zaho mba te-hitoetra amin'ny lapanao

Ka foiko ny aiko mba ho faty anio

Toy izay tsy mba hihaona aminao, reniko.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Vavaka sy Hira p. 583
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095