Nataon'Andriamanitra eo am-pelatanan'i Kristy

Nataon'Andriamanitra eo am-pelatanan'i Kristy
Ny zavatra rehetra
Ary izy no natsangany ho Tompony.

(Sal. 8)

1. Inty aho hihira ny fiandriananao
Ambony sy madera manoatra noho ny lanitra
Ireo vao minono sy ireo zazabodo
no he miantsa anao ka mitory fiderana

2. Dia sina sy nangina ireo fahavalonao
ka moana ny mpisompatra, menatra ny rafy
Rah'hitako ny lanitra nataon'ny tananao
Ny volana, ny kintana izay namboarinao

3. Fa inona ny olona no mba tsiahivinao
Ny zanak'olombelona no he tsimbininao
Fa lasa ambany kely noh'Andriamanitra izy
Ka enim-bohinahitra izy nasondrotrao.

4. Ny asan-tananao foinao hozakainy
Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany
Dia omby aman'ondry omban'ny bibidia
Ny biby izay mandady sy mandia izany tany

5. Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina
Izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.
Ry Tompo Andriamanitra, endrey ny anaranao
Marevaka sy fantatry ny mponina eran-tany.

6. Deraina sy hobiana 'lay Ray nahary antsika
Ny Zanaka mpamonjy natsangany ho Tompo,
Deraina ka hobiana ny Fanahy nomeny antsika,
Ho antoka hampiray ny zavatra rehetra.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 163
Vavaka sy Hira p. 251
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094