Noely fahaterahana

Avy e Añao, Jesoa, namangy anay atoy;
Tsa nifidy tany hidirana, fa havanay aby tokoa.
Tompo Andrianañahary Añao,
Feny... nañeky hitovy aminay.
Saove... nañeky hanompo,
Mba hanandratsa anay mpanota.
Ny voninahitsa e izao ho an'Andrianañahary e,
  (Gloria, Gloria, Gloria)
Eko atsika olo tiàny: hampanjaka ny fiadañana.
 
1 Izao ro "andro Fahaterahana":
 Nahaterahan'ny tena Aiña.
 Tsa misy koa ny tahotsy ny herin'ny maty e;
 Faly añay (e) fa manaña Anao mandrakizay! (inefatra)
 
2 Izao no fahaterahan'ny Hafaleana,
 Hafaleana ho an-dRaolombeloña.
 Ny mpanota nahazo fañatiñana e;
 Añay (e) matoky fa ho mpandresy! (inefatra)
 
3 Izao ro fahaterahan'ny Hazavana,
 Hazavana manila amin'ny maiziña.
 Mampitraka ireo misotry sy mamoy fo e;
 Añao ro herinay, "hamaito" ny onjam-piaiñana! (inefatra)

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Noely
Fihirana Hasina p. 786
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186