Miraisa saina

1 Miraisa saina isika rehetra:
 Hitondra soa tsy manam-petra;
 Ny Firenena, ny Fiangonana,
 Fiaraha-monina:
 Ireo no sehatra hikatrohana.
 
Ry Ray ô, Jesoa Zokinay!
Tahio ny Kolejinay:
Masina Misely AMPARIBE;
Fanahy Masina, tahio izahay:
Hatsilo saina, hazava fo fanahy.
 
2 Miraisa fo isika rehetra:
 Hitondra soa tsy manam-petra;
 Ka hifanoro amin'ny lalana
 Tsy maintsy hizorana:
 Ho tody soa, izay no tanjona.
 
3 Mifandraisa tànana isika rehetra:
 Hitondra soa tsy manam-petra;
 Ary hamongotra sy hanafoana
 Ireny ratsy ireny,
 Ka dia ny marina no ventesina.
 
4 Miraisa feo isika rehetra:
 Hitondra soa tsy manam-petra;
 Tolory saotra izy nampitoetra
 Fahasoavana, finoana, fitiavana,
 Hatrizay sy ho mandrakizay.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa - Tanora
Fihirana Hasina p. 782
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088