Atsika jiaby ireto

Atsika jiaby 'reto Fiangonana iray e;
Fianakaviana iray velomin'ny Eokaristia;
Velona (velona) ao amin'ny Ray e! (inefatra)
 
1 Ny Fiangonana mampihavana ao amin'ny Ray,
 Mampiray atsika jiaby e,
 Velomin'ny Eokaristia,
 No fianakaviana!
 
2 Ny fianakaviana, mampifaly ao amin'ny Ray e,
 Mampiravo atsika jiaby e,
 Mampiadana ao amin'ny Ray e,
 Mahasambatra ao amin'ny Ray e!
 
3 Ny Eokaristia mamelombelona aigny e,
 Antoky ny mandrakizay e,
 Mampioitra atsika jiaby e,
 Maha-olona ao amin'ny Ray e!
 
4 Ny Fiangonana Vatan'i Kristy,
 Ny Fianakaviana entanin'ny Fanahy e,
 Ny Eokaristia Teny tonga nofo ô,
 Teny tonga nofo manome aina atsika!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Antsao ny Tompo p. 65
Fihirana Hasina p. 762
Karine Dera p. 498
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091