Arakandron'Andriaña

E eh he he e e e!
Arakandron'Andriaña eny aho e!)
Arakandron'Andriaña aho e!       ) (indroa)
 
1 Tsa misy ina ahina!
 Kilanjy soa ro itondrany an-teña,
 Moron-drano mahavelom-bolo;
 Velombeloña soa ny aiña;
 Migalaboña amy tena lalaña;
 Dia ny Andriaña e ro masiña!
 
2 Laky akory lala-mangiña,
 Ho añaty lohasaha maimaiña;
 Tsa atahorako n'ina n'ina!
 Lavitsa ahy izay hoe angoaiña,
 Fa Añao miaraka amin'ahy;
 Azoko antoka ny tehiñao!
 
3 Sakafoananao soa ho voky aho,
 Laky eo ny tsa hilaza soa;
 Hosoranao menaka eny aho,
 Zemonjemoña hatañ'an-doha!
 Tena hipoka, roa, ny kaopiko,
 Fa finoanao ho safomoroña!
 
4 Sambasambatsa, roa, ny teña,
 Ny aiña izao ro soa tsa ho mate;
 Finaritsa aho miaraka amin'Azy,
 Metimety koa an-drañony ao!
 Hiatomboke eny moa ny teña;
 Tapa-kevitra aho fa tamaña!

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Fihirana Hasina p. 761
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172