Velom-panantenana ny zanakao

1 Velom-panantenana ny zanakao,
 Ka tonga mba hanaja anao, Reninay,
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

2 Topazo maso ka mba raiso 'zahay,
 Avy manatona anao am-panajana.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

3 An-tanindrazana ianao manko 'zao,
 Fa izahay voasesitany aty.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

4 Manjaka an-danitra ianao, ry Maria,
 Fa 'zahay zanakao misento atý.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

5 Raha manjaka an-tranonay i Jesoa,
 Ianao kosa no mpifehy anay.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

6 Tahio ny ray aman-dreny rehetra,
 Mba hitondray tsara ny nomenao,
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

7 Tsarovy fa nitaiza kely ianao,
 Ka mba arovy ny mpitaiza rehetra.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)

8 Ireny zandrin'ny anjely madio,
 Ny zazakely mba ambeno, Maria.
 Mba iantrao 'zahay, Maria! (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 137
Fihirana Hasina p. 744
Fihirana Vaovao p. 422
Vavaka sy Hira p. 575
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0656