Tonga sahady ankehitriny izao ny andro

Tonga sahady ankehitriny izao
Ny andro andrenesan'ny maty rehetra ny feo,
Ny feon'ny Zanak'Andriamanitra,
Ka ho velona izay handre an'izany,
Ka ho velona, eny ho velona izay handre. (Jn. 5, 25)

(Sal. 28) 

1 Rey Zanak'Andriamanitra,
 Mieke ny Tompo;
 Ny Tompo iekeo voninahitra sy hery.
 
2 Ny anaran'ny Tompo iekeo voninahitra.
 Ny Tompo iankohofy
 Ao an-kianjany masina.
 
3 Injao ny feon'ny Tompo ilay mahery:
 Andriamanitra tsitoha mampitalakotroka,
 Ny Tompo ambony rano midadasika.
 
4 Injao ny feon'ny Tompo ilay mahery,
 Injao ny Tompo ilay be voninahitra,
 Injao ny Tompo mamotika sedera.
 
5 Ny sederan'i Libàna potehin'ny Tompo,
 I Libàna ampitroariny toa zanak'omby,
 I Siriôna: toa vantotr'ombimanga.
 
6 Injao ny feon'ny Tompo mandefa ny tselatra,
 Injao ny Tompo mampihovotra ny efitra:
 Ny efitr'i Kadesa indray mihorohoro.
 
7 Injao ny feon'ny Tompo manodidina ny ala:
 Ny hazo rehetra tapatapaka sy lavo;
 Ary hoy ny ao an-dapany: voninahitra!
 
8 Ny Tompo mipetraka ambonin'ny onja,
 Manjaka hatrizay;
 Ny Tompo hitahy sy hanome fiadanana,
 Ny Tompo anie hankahery ny olony.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 24
Fihirana Hasina p. 733
Fihirana Vaovao p. 279
Vavaka sy Hira p. 269
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0506