Tompo ô, mbola zaza aho

1 Tompo ô, mbola zaza aho
 Nobitsihinao: avia hanaraka ahy.

Henoko ny antsonao
Ka nilaozako
'Reo ray aman-dreny,
'Reo zoky sy zandry
Sy ireo havan-tiana:
Mba hanara-dia anao.
Koa inty aho, Tompo ô,
Anatrehanao, vonona hanao e
Izay sitrakao.

2 Tompo ô, be ny fahavalo
 'Zay misompatra mitady hamingana ny dia.

3 Tompo ô, voady tsy mifody
 Ny ho anao doria, ampio tsy hivadika aho.

4 Tompo ô, nafoiko avokoa izao tontolo izao
 Ianao no anjara nofidiko.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 297
Fihirana Hasina p. 728
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256