Satria ny olombelona nofo aman-dra

(Heb. 2)

1 Satria ny olombelona nofo aman-dra,
 Dia niombona tamin'izany izy Tompo:
 Hoentiny handresy amy fahafatesany   )
 'Lay manana ny herin'ny fahafatesana. ) (indroa)
 
2 Ny nofo aman-drany no nentiny hanafaka
 Ireo 'zay niharan'ny fanandevozana
 Nandritra ny andro rehetra niainany,)
 Noho ny fahatahorana fahafatesana. ) (indroa)
 
3 Koa izy rehetra dia fototra iray
 Na izay manamasina na ny hamasinina.
 Ka Jesoa tsy menatra miantso azy ireo )
 Hoe rahalahiko na hoe anabaviko         ) (indroa)
 
4 Izany no antony nahatonga azy
 Mitovy amy zandriny amy zava-drehetra
 Ho tonga Mpisorona be indrafo      )
 Sy ankasitrahan'Andriamanitra Ray ) (indroa)
 
5 Hanatitra sorom-pifonana izy
 Hoenti-manonitra ny otan'ny olona;
 Noho izy nalaina fanahy sy nijaly,     )
 Dia afa-mamonjy 'zay alaina fanahy. ) (indroa)

 

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 353
Fihirana Hasina p. 717
Fihirana Vaovao p. 36
Vavaka sy Hira p. 448
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114