Ry Virjiny Imakole

1 Ry Virjiny Imakole,
 Reny tsara fo indrindra,
 Fanantenan'ny Eglizinay,
 Fa Reninay ianao.
 Midera anao 'zahay rehetra
 Midera anao, ry Maria.
 Ho tonga anie ny fanjakanao
 Eto an-tanindrazanay.
 
Atolotray ho anao
Ny fonay, ry Reny tsara,
Raiso 'zahay ho zanakao,
Ho zanakao mandrakizay.
 
2 Ry Virjiny Imakole,
 Reny tsara fo indrindra,
 Fanantenan'ny fianakaviana,
 Fa Reninay ianao.
 Midera anao, 'zahay rehetra;
 Midera anao, ry Maria,
 Ho tonga anie ny fanjakanao
 Eran'i Madagasikara.
 
3 Ry Virjiny Imakole,
 Reny tsara fo indrindra
 Fanantenan'izay tia anao,
 Fa Reninay ianao.
 Matoky anao 'zahay rehetra;
 Matoky anao, ry Maria,
 Ho tonga anie ny fanjakanao
 Eran'izao tontolo izao.

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 130
Fihirana Hasina p. 710
Vavaka sy Hira p. 599
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699