Ry Mpiaronay sy Ray malalanay (Md. J.B de la Salle)

Ry Mpiaronay sy Ray malalanay,
Baptiste de la Salle, vonjeo re 'zahay:
Ampio koa isan'andro ny zanakao rehetra;
Arovinao, arovinao.
 
1 Atý an-taninay 'zahay re dia be ady,
 Ka mangata-bonjy aminao, Ray malala:
 Tahio ny zatovo, ambeno ny vaventy,
 Fa zanakao daholo izahay.
 
2 Any an-danitra any, ry Mpiaronay malala,
 Tsinjovy re 'zahay ka ampio isan'andro
 Hitombo hatsarana, handositra ny ratsy,
 Ry Mpiaronay sady tokinay rehetra.
 
3 Aza hadinoinao itony taninay,
 Ry Ray be fahefana akaikin i Jesoa;
 Ka ataovy hitanay, raha tonga ilay fetr'andro.
 Ny haravoana izay itoeranao.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina - Samihafa
Fihirana Hasina p. 700
Vavaka sy Hira p. 633
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2062