Ry Lehilahy katôlika, asandrato ny feontsika

1 Ry Lehilahy katôlika,
 Asandrato ny feontsika
 Hiara-miredona sy hankalaza
 Ary ho tia an'i Maria mpiarontsika.
 
Atolotray ny fanajana,
Atolotray ny fitiavanay.
Eran'ny sainay, eran'ny fonay
No itiavanay anao, Reninay.
 
2 Ny fiderana mendrika anao
 Tsy takatray mpanomponao,
 Fa ianao no loharano
 Nipoiran'ny Mesia Tompo Tsitoha.
 
3 Kanefa kosa fantatray
 Ny fitiavana ao am-ponao;
 Koa dia matoky izahay rehetra
 Fa hoekenao, horaisinao ny vavakay.
 
4 Arovy ny zanakao
 Eo afovoan'ny fakam-panahy,
 Ary herezo ny apôstôly
 Hanetsiketsika ny kamo sy ny osa.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 695
Vavaka sy Hira p. 636
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092