Ry kristianina ô, tsarovy ny fahamendrehanao!

1 Ry kristianina ô!
 Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
 Efa oviana moa ny Ray no niantso anao ho zanany,
 Dia izy ilay niantra ny taranaka an'arivo!
 Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-dRay,
 Ka hamela hadisoana impitopolo fito.
 Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-dRay,
 Ka hamela hadisoana impitopolo fito.

 
2 Ry kristianina ô!
 Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
 Efa oviana moa ilay Zoky no niantso anao ho zandriny,
 Dia izy ilay nanasa ireo tongotry ny mpianany!
 Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-Joky,
 Ka hanompo an-tsitrapo ny faraidiny indrindra.
 Ianao kosa anefa aoka mba hanaha-Joky,
 Ka hanompo an-tsitrapo ny faraidiny indrindra.
 
3 Ry kristianina ô!
 Tsarovy ny fahamendrehanao. (indroa)
 Efa oviana moa ny Fanahy no nitoetra anatinao,
 Dia izy ilay Mpisolovava ny olona ampangaina!
 Ianao kosa anefa aoka mba ho entanin'ny Fanahy,
 Mba hiaro ny mahantra tsy manana mpiahy.
 Ianao kosa anefa aoka mba ho entanin'ny Fanahy,
 Mba hiaro ny mahantra tsy manana mpiahy.

Nampiditra Belle
Sokajy Samihafa
Ankalazao ny Tompo p. 521
Fihirana Hasina p. 694
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.03