Ry Zôzefa (Josefa)

1 Ianao ilay nitaiza an'i Jesoa
 Sy mpiaro ny fianakaviana,
 Zôzefa ô, arovy ny fahazazana,
 Tantano ny hatanorana,
 Mba hadio sy halahala
 Ho fotsy toa oram-panala.
 
Tantano izahay, arovy izahay
Tsy ho kivy, tsy hanary toky
Hanakana anao ilay nahay nanaiky
Ny sitrapon'ny Ray. (indroa)
 
2 Be fitiavana ianao, ry Zôzefa,
 Sy kiadin'ny fianakaviana:
 Jereo ny ankohonana maro mijaly
 Sarahin'ny fitiavan-tena;
 Tantano izy ireo hahalala
 Ilay fitiavana avy amin'ny Ray.
 
3 Niasa fatratra ianao, ry Zôzefa,
 Fa namelona fianakaviana;
 Jereo ireo mpiasa efa trotraka erý,
 Nefa lavitra valim-pitia;
 Tantano izy ireo hanantena
 Ilay sitraka avy amin'ny Ray.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina - Samihafa
Fihirana Hasina p. 693
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087