Ry habakabaka ô, ankalazao ny Tompo

1 Ry habakabaka ô,      Ankalazao ny Tompo!
 Ry tendrombohitra ô,  Ankalazao ny Tompo!
 Ry ranomasina ô,        Ankalazao ny Tompo!
 
Ankalazao, ankalazao,
Fa lehibe ny asany;
Ankalazao ny Tomponao.
 
2 Ry ala maintso ô,      Ankalazao ny Tompo!
 Ry vorona mikalo ô,    Ankalazao ny Tompo!
 Ry voninkazo kanto ô, Ankalazao ny Tompo!
 
3 Ry tanamasoandro ô...
 Ry kintana mamiratra ô...
 Ry tara-bolana ô...
 
4 Ry manana aina ô...
 Ry zavaboary ô...
 Ry zanak'Andriamanitra ô...

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fihobiana - Samihafa
Fihirana Hasina p. 690
Fihirana Vaovao p. 466
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088