Reny tsy azon'ny ota, Masina Maria

1 Reny tsy azon'ny ota, Masina Maria,
 Mpanjakavavin'ny anjely,
 Dera sy laza ho anao, eo anilan'i Jesoa!
 
Mpihira:           Vahoaka:
Arahaba           Feno hasoavana ô,
Arahaba           Mivavaha e,
Arahaba           Feno hasoavana ô,
Arahaba           Mivavaha ho anay.
 
2 Ankizivavin'ny Tompo, Masina Maria,
 Fatra-panaiky ny Ray,
 Indro nasandrany ambony, tonga mpanjakavavy.
 
3 Virjiny madio indrindra, Masina Maria,
 Renin'i Jesoa Mpamonjy,
 Lapan'ny Tompo Nahary, feno Fanahy Masina e.
 
4 Kintana fitarikandro, Masina Maria,
 Mitari-dalana ambony,
 Nony ela ka nodimandry, niaka-belona an-danitra e.
 
5 Ry nosoavin'ny Ray, Masina Maria,
 Lazan'ireo vehivavy,
 Hoy ny taranaka anio: Eny sambatra ianao e!
 
6 Mbola miady eto an-tany, Masina Maria,
 Ireo zandrin'i Jesoa;
 Ry Reny nomena any, hoy ny zanakao e:
 
(amin'ny fivahiniana ataon'ny diôsezy, dia miampy ity:)
7 Indro ny diôsezy, Masina Maria,
 Lovanao ka tsimbino
 Hanjakan'izy Ray hahasambatra anay e.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 686
Fihirana Vaovao p. 457
Vavaka sy Hira p. 597
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096