Rankizy, ny fonao madio

1 Rankizy, ny fonao madio
 Tandremonao
 Toy ny vola tananao mafy
 Ao aminao;
 Na dia fotsy volo aza
 Ny lohanao,
 Aoka tsy ho lefy ny hanitra
 An-kandrinao.
 
Hadiom-pon'ny zaza kely
Aza mandao
Ny tenanay, fa ianao re
No haingonay.
 
2 Nahoana ny fonao no tia
'Ty tany 'ty,
 'Zay be tsilo ratsy sy fandrika
 Sy nenim-po?
 Ny lalana alehan'ny maro
 Fotaka foana;
 Aoka izy tsy mba hodiavin'
 Ny tongotrao.
 
3 I Satana mitarika ny zaza
 Tanora fo,
 Sy milaza hanome azy
 Anjara vao;
 Tsy mba to ny zara lazainy
 Fa lainga foana,
 Misava sy levona toa nofy
 Nony maraina.
 
4 Ny madio fo, mankahala
 Ny fahotana
 No harena to mahasambatra
 Anay atý.
 Jesoa, 'zaho mba te ho tonga
 Anjelinao,
 Tsy very hazavana tahaka
 Ny lanitrao.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 673
Vavaka sy Hira p. 540
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139