Raha izao tontolo izao dia tsy an'iza fa an'i Kristy

Raha izao tontolo izao
Dia tsy an'iza fa anareo.
Nefa ianareo an'i Kristy Tompo e,
Ary i Kristy an'Andriamanitra. (1 Kor. 3, 22-23)

(Dan. 3, 57-88. 56)
 
Isaory ny Tompo, ianareo rehetra asan'ny Tompo!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay!
 
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo, ry zavamaniry rehetra eran-tany!
Isaory ny Tompo, ry loharano!
Isaory ny Tompo, ry ranomasina sy ony!
Isaory ny Tompo, ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo, ry voron'ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo, ry biby fiompy sy bibidian'ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay!
 
Isaory ny Tompo, ry zanak'olombelona!
Isaory ny Tompo, ry Israely!
Isaory ny Tompo, ry mpisorona!
Isaory ny Tompo, ry mpanompo!
Isaory ny Tompo, ry saina amam-panahin'ny olomarina!
Isaory ny Tompo, ry olomarina sy mpanetry tena ao am-po!
Isaory ny Tompo, ry Anania sy Azaria, sy Misaely:
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay!
 
Isaorana ianao, ry Tompo, eny amin'ny habakabaka:
Mendrika ny laza sy ny voninahitra mandrakizay!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fisaorana
Ankalazao ny Tompo p. 13
Fihirana Hasina p. 668
Vavaka sy Hira p. 414
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092