Ny hatsaran-tarehin'ny Tompo

Ny hatsaran-tarehin'
Ny Tompo Andriamanitra
Avy amin'i Siôna.

(Sal. 79)
 
1 Ry Mpiandry an'i Israely, henoy ny vavakay;
 Ny herinao fohazy, avia hamonjy anay.
 
2 Rahoviana re, ry Tompo, no hiala aminay
 Ny hatezeranao, ry Tompo, ry Iaveh?
 
3 Fa mofon-dranomaso no mofo haninay;
 Amindrao fo 'zahay, 'zahay vahoakanao.
 
4 Ry Andriamanitray ô, antsoy re 'zahay;
 Ny tavanao endre hihiratra aminay.
 
5 Nofoananao daholo ny voly an-taninay;
 Ireo olon-kafa nasolonao anay.
 
6 Ry Andriamanitray ô, avia, miverena;
 Tsimbino sy tsinjovy ity vahoakanao.
 
7 Fa tsy handao anao intsony re 'zahay,
 Satria velominao 'zahay fa miantso anao.
 
8 Ny laza sy ny dera, ho anao mandrakizay
 Andriamanitray, ao amn'ny Trinite.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 650
Vavaka sy Hira p. 306
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493