Ny haizina indro madiva

1 Ny haizina indro madiva
 Mangina ny zavaboary.
 Izahay mamela ny asa
 Ka hametra-tena aminao,
 Ry ilay hany fanantenana,
 Ambeno sy arovy izahay e
 Manao veloma anao!
 
Ry Reny feno fitia,
Mba raiso ny vavakay
Ka atolory an'i Jesoa.
Manao veloma anao!
 
2 Masiaka tokoa ny demony,
 Mba sakano izy ry Reny,
 Tsy hanimba ny tenanay;
 Ka ny nofy ratsy rehetra
 Ario lavitra anay, Maria ô,
 Ambeno sy arovy izahay e,
 Manao veloma anao!
 
3 Raha lasana ny ali-madiva,
 'Zahay handray fitahiana:
 Ho tratry ny andro maraina
 Ka homba ny zavaboary
 Hidera an'ilay Zanakao
 Ka hiara-miantso indray hoe:
 "Arahaba, ry Maria!"

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 649
Vavaka sy Hira p. 563
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213